INONA NO METY MAMPAHATONGA NY COTIERS HO TSY HAHAZOHAZO NY MERINA ET VICE VERSA ? (Tsy fifosana fa filazana zava-misy)

Publié le par mgslalom

partie 1

 

INONA NO METY MAMPAHATONGA NY COTIERS HO TSY HAHAZOHAZO NY MERINA ET VICE VERSA ? (Tsy fifosana fa filazana zava-misy)

 

Aza tonga dia mirintona, vakio hatramin ny farany (invitation am-panajana). 

 

Omaly izaho sy Jaosoa tafaresaka mikasika ny resaka disadisa ara-piaviana sy ara-poko. Lava loatra ny resakay (jijy) ka leo ny olona, dia aleoko androany izaho vao miresaka azy. 

 

Tsy misy resaka tabou izany, afaka resahina daholo ny rehetra rehetra, ary fotoanany izao, ary tokony ho tohizana foana rehefa misy ny fotoana fa tsy hoe rehefa vita greve dia lasa "mangina volamena indray isika rehetra jusqu'a ce que mipoaka indray rotaka manaraka. 

 

Io débat de société io tena tokony himasoan ny Société Civile erak'i Madagasikara sitrany desenclavé mentalement vetivety Madagasikara ary mifankahazo tsara. Tokony signer ndreo malaky contrat n i Seacom sy Orange amin izay mandeha ny haut débit dans toute l'ile. 

 

Tsy hataoko amin ny teny vahiny fa ataoko amin ny teny gasy vary amin ny anana (tsy olana) satria tena affaire-ntsika manokana. Hisy ny curieux hitady traduction tsy maninona, fa aleoko foana version gasy amin izay azontsika tsara ny antony mahatonga io resaka disadisa "cotier sy merina" izay amiko efa dépassé tanteraka io. 

 

Isika malagasy io araka ny noteneniko, matoa manomboka mahasahy miresaka be ohatra izao sans  etats d'ames, satria efa tonga ilay fotoana ilana ny fifampiresahana mba hahafahana mifankahalala tsara sy miara miasa ary manana finamanana tena vokatry ny fo fa tsy feno fiatsaram-belatsihy. 

 

Ity no aretina mahazo antsika ao. Ny merina hatramin ny fahaleovan-tena no nankaty, araka ny fandinihiko azy ety ivelany, dia olona "sahirana" par rapport amin ny malagasy rehetra. Mahatsiaro izy ireo fa ohatra ny mitady ho fofoin ny olona ambiny izany ny ainy.

Ary ny cotier dia tsy mety a l'aise ihany koa amin ny merina satria tsy azony tsara aloha voalohany ilay fiteny, avy eo koa ny fombafomban ny merina tsy dia azoazon dreo loatra satria ohatra n ny mifandray tsy sazoka izany, ohatra ny manana impression izy hoe miatsara ivelatsihy izany le merina, mody takonany amin ny tsikitsiky le gene. Eo ihany koa moa ilay souvenir ratsy navelan ny tantaran ny zanak' olombelona sy ilay tantaran'i Madagasikara tsotra izao. 

 

partie 2

 

Misy ny actes izay manamarina izany. 

 

1-  Mikasika ny sentiment d'insécurité n ny merina erak'i Madagasikara: 

 

Noho ilay version' ilay tantara izay nampianarina tany an-tsekoly (hoe "ny merina no nanjanaka an'i Madagasikara iray manontolo ary izy no ambony indrindra, izay le décodage brut nataon'ny olona rehetra avy any amin ny "sisiny" an'ilay tantara, sy ny hoe "Andrianampoinimerina no Mpanjaka favy indrindra tao Madagasikara") no nahatonga ny ankizy rehetra any amin ny faritra rehetra ho sadaikatra sy "hihafahafa" raha vao mahita merina tonga any aminy. 

 

Eo ihany koa ny fahafantaran ny olona rehetra manerana an' i Madagasikara ny fomba fampiasan ny merina "solafa" ao Antananarivo izay marihina fa amin ny ankabeazan-dry zareo dia mbola "andevo na bomaka" foana na efa amin ny andron ny repoblika aza. 

 

Eo ihany koa ny lazan ny merina ho tsy mampiditra mpiasa afa tsy ny mitovy takolaka aminy. 

 

Izay rehetra izay no miteraka amalgame hoe: 

 

ireto borizano ireto tena olona mpanambany olona be mihitsy. Andao ireo hamboarina any amin izay fantany tsara fa isika koa favy. Io ilay raisonnement n ny olona tena mankahala merina sy mitady hanao ratsy azy. 

 

ary ny hafa kosa izay "mivavaka" dia milaza tsotra fotsiny hoe, maninona moa raha tsy zaraina fotsiny ny fahefana sy i Madagasikara dia aleo samy manao ny azy, aleo ireo samy ireo ho ao. Aferan-dreo ao ny an-dreo.  

 

Dia izay no mahatonga comportement social variable be erak'i Madagasikara io. Misy ny olona "hendry mody voky" misintasintaka sy mialaala fotsiny ny merina mba tsy hisian ny olana. Raha sendra misy moa ny mahavoa azy dia "jereny ohatra ny tany nahalavoana" eo izy. 

 

Misy ny tsy manafina mihitsy ny tsy fitiavany an-dramerina ary asehony mihitsy hiharihary ilay izy. Rahonany mihitsy aza raha tena manadala ny lohany. 

 

partie 3

 

ilay fanaratsiana toy ny hoe borizano, sns iny mbola zakany ihany, fa hitan-dreo fa misy mihitsy ny famonoana azy rehefa mandeha mankany amin ny faritra izy ireo. Tamin'ny 72, nisy ady nataon ny olona tamin ny merina tany Toamasina, tamin ny 2002 dia ireny niaraha nahita ireny ihany koa ny zava nitranga tany Diego, Nosy Be, Antalaha, Toamasina, Toliary. 

 

2- Ny fiteny mihitsy: 

 

Tsy haiko aloha raha ohatra ka tsikaritareo fa le fiteny malagasy ofisialy, ohatran ny misy sarisary sy pointe pointe hafahafa izany. Ohatran ny hoe mifosafosa izany le izy rehefa amin ny fiainana andavanandro. Le teny verindroa tsy tena hita tsara hoe tena izay marina ve no tian ilay olona tenenina sa manala sa maneso. Hitanareo amin'io fomba firesadresako eto io izao ilay izy angamba. 

 

Izay, araka ny fijeriko azy an, no mahatonga ny cotier izay tia zavatra direct ho tsy a l'aise mihitsy rehefa miresaka amin ny merina satria manana impression izy hoe ohatran ny mandainga sa ohatran ny manabarabara (manambaka miharo fanambaniana) azy izany le merina. 

 

Raha vao direct indray nefa le merina dia ohatran ny tsy a l'aise ihany koa ilay cotier satria tonga dia eritreretiny hoe "le zalahy ity koa tena hita mihitsy maha borizano mpanambany olona azy" 

 

dia lasa ohatran ny tsy hita be ny ihany izany ilay firesaka. 

 

3- Ny "fombafomba" fiaina : 

 

Ankoatra izay, eo ihany koa ny fomba fiaina, ny merina araka ny fijeriko azy, vitsivitsy teny, tsy dia tia tabataba ary tia mitokatoka-monina izay. Miresaka izy rehefa amin ny fotoana ilany izany, mangina izy rehefa tsy te hiresaka. Ary izy dia olona tia mi-bricolecole izay. Raha vao elingeleninao izy amin'izay fotoana izay dia tezitra. Tsy teneniny mivantana anefa ianao fa somary "vandrahany" kely izay dia anjaranao ny mieritreritra. Malaza koa izy hoe tia vola sy tia manambakambaka olona izay. Ary rehefa ao am-piasana izy dia malaza hoe tia mibaikobaiko olona izay sy manao teny an-avona be "hono". Malaza ihany koa izy hoe tsy mampiditra cotier an-trano hono fa "mahamenatra". 

 

partie 4

 

Ny cotier anefa, rehefa mifandray amin ny olona dia manana izay toetra tonga dia ouvert be izay, mitsikitsiky be ary ianao raha tonga any aminy tonga dia "karibo an-trano" ary tena mahafinaritra azy mihitsy ny miresaka be. Izy be resaka io anefa, tena misy zavatra afeniny ao ambadika ao, miresaka zavatra mahafinaritra sy mitantara blague izy fa ny tena momba azy tsy tantarainy aminao be satria fantany fa raha diso miresaka be loatra izy, mety lasan ny olona ny business n ny (manapaka sotro). Ny cotier amin ny merina dia malaza hoe poerapoera sy tia dehadehaka be rehefa "tafita". Malaza ihany koa izy eo anivon ny merina hoe zay tia manenjika vehivavy sy mampirafy be, ary izay sipa merina tratrany hono dia tsy afaka aminy intsony satria ry zareo ireo milalao fanafody be. 

 

Mety mbola misy antony "hafa" fa ireo aloha no tsikaritro. 

 

Izay araka ny fijeriko azy no antony mahatonga ireo groupe roa ireo ho "hifampihafahafa" sy "hifampihatakataka" sy "hifampihatsara ivelatsihy". 

 

Ahoana no hahafahana mandresy an'izay: 

 

1- Voalohany, aloha dia ny miresaka ohatra izao ataon tsika izao. Ary mba hialana amin ny fifampidarohana sy ny intimidations, dia tena tsara mihitsy ity internet ity hamakiana ny resaka ohatra izao. 

 

2- misy fombantsika izay efa tena tsy mety intsony mihitsy raha ohatra ka mbola hatao Repoblika ihany i Madagasikara. 

 

a) - Io resaka saranga io izay mbola mibahana ao an-tsaintsika ao dia tokony ho fafana tanteraka mihitsy anaty ny sain-tsika. 

 

b)- Io resaka signe ivelany izay mi rappeler an'ilay frustration nateraky ny saranga sy ny foko io, tokony hajanona tanteraka erak 'i Madagasikara (ny fi mentionner na anaty gazety hoe : niamboho ny Andriana, ny organisation na fete toy ny hoe Fitampoha dady etc., ireny rehetra ireny dia activités mampitamberina ny caste foana) 

 

partie 5

 

3- Io resaka fitaizana hoe ny Ray aman-dreny ihany no marina fa ny zaza mangina, izay mangina volamena, io tsy mety satria tsy mivoaka ny personnalité n ny olona ary tena manimba ny talentan ny zaza malagasy mihitsy 

 

4- Io resaka Fihavanana io mila faritana tsara satria avy amin io no source n ny fanambakana. Isika te hanan-karena sy te ho velona amin ny asantsika daholo, tsy maintsy asiana tambiny ny fifanakalozana, ary ny tambiny dia VOLA. Isika io mantsy tsy sahy milaza mivantana prix n ny service ntsika satria "mahamenatra" ary hoe "tabou ny vola". Vola tsy ratsy, tambin ny hasasaranao. Ny fakana tombony dia ao anatin ny business. Zavatra normal, raha tsy izany tsinona ianao tsy hanan-karena mihitsy 

 

5- Aleo manontany rehefa misy zavatra tsy azo, tsy mahamenatra ny manontany hoe inona no tianao lazaina, le faux décodage io mahatonga antsika ho lasa mitazona rancune. Eritretin-tsika foana hoe ity olona ity mitady hanao ratsy ahy. 

 

6- Rehefa tsy azoazonao ny zavatra ataon ny olona iray dia teneno fa aza mody manaiky, le mody manaiky miteraka zavatra ratsy any am-ponao any. 

 

7- Aza manalikalika mpiasa sy mifanevateva amin ny firazanana sy ny fiaviana ary ny aspect physique satria isika na tiantsika na tsy tiantsika dia isan-karazany

 

8- Avelao ny ankizy hi experimenter fiainana, afaka atoro izy fa aza sakasakanana amin izay safidiny. 

 

9- Alefaso manao voyage ny ankizy raha misy moyen, amin'izay izy misokatra amin ny hafa. 

 

10- Aza atao amin olona izay zavatra tsy tianao hatao aminao

 

11- Io resaka fanafody sy dara io, tokony foanana any mihitsy satria tena tonga dia substance chimique mihitsy miditra any am-bavan olona any. Izay tratra milalao an'io tokony handraisana fepetra manokana. 

 

12- Dia rehefa tonga ny 4e République dia mandehana amin'ilay bal de la reconciliation nationale. 

13- Raha ohatra ka miaraka amin ny olona tsy mitovy aminy ny zanakao dia aza rarana izy fa aleo izy no hisafidy satria fiainany io.  

 

partie 6

 

---------

PS: 

 

(AFAKA TRANSPOSER NA AMIN NY FOKO HAFA IHANY KOA ILAY FIJERY SY ILAY FANAFODY)

 

BETSILEO VS COTIER

SIHANAKA VS COTIER

BEZANOZANO VS COTIER

KARANA VS COTIER

SINOA VS COTIER 

VAZAHA VS COTIER 

COTIER SAMY COTIER

ANTAKARANA VS TSIMIHETY

TSIMIHETY VS VEZO

ANDRIANA VS BOMAKA

HOVA VS ANDRIANA

 

SNS SNS.... 

----

Ireo "fitsipi-piaraha-monina vaovao ireo izany no atolotro ho" dinan ny "Fampihavanam-pirenena". 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
E
Tena marina mitsy rangah io zavatra teninao io ah!!za tonga de manaiky be mitsy hoe efa tsy tokony hisy tsony zany resaka mifanavakavaka samy malagasy zany!!Variana miady tsika de lasa tsy tadidin-tsika tsony hoe izy no tena tokony iadin-tsika marina!!Misaotra be dia be anao,
Répondre