Fanontaniana entina miatrika ny fihaonam bem paritra

 

I Madagasikara dia firenena izay miavaka amin ny caractéristiques géographique n ny: Nosy faran ny lehibe ao amin ny Oseana Indiana, Nosy faran ny lehibe hoan ny Kontinanta Afrikana. 

 

Miavaka ihany koa izy noho ny harena maro tsy tambo isaina izay miparitaka manerana ny faritra ao aminy, ahitana petrole, gaz bitumineux, volamena, saphir, raha ireo fotsiny no ho tanisaina ho ohatra raha harena an kibon ny tany no resahina. 

 

Miavaka izy amin ny fananany flore sy faune endémique izay afaka trandrahina amin ny lafiny maro toy ny fanaovana fanafody, ny fizahan tany, ny famoronana akora simika sns sns

 

Miavaka izy amin ny fananany sisin-tany izay mananika ny 7000 km sy ny zone économique exclusive mifandraika amin izany izay afaka hampiroboroboana ny jono sy ny fanodinana ireo vokatry ny jono. 

 

Miavaka ihany koa izy noho ny fananany velaran-tany goavana hahafahana manao fambolena sy fiompiana intensive. 

 

Miavaka izy amin ny fisian ny rano sy ny loharano maro misampatsampana izay afaka avadika rano fisotro madio hoan ny mponina ao aminy ary afaka hamidy any ivelany ihany koa. 

 

Ary farany sady lehibe indrindra dia miavaka izy noho ny olona izay ao aminy. Raha ny tantaran ny vahoakany no jerena dia roa ny fiavian ny Malagasy izay mpiavy voalohany: 

 

  • Malay (Indonesiana) izay niandriaka avy any Atsinanana 
  • ary Bantou (Afrikana) izay niandriaka avy any Andrefana. 

 

Mbola betsaka ny pitsopitsony tsy voazavan’ireo mpikaroka mikasika ny tena “histoire du peuplement” n I Madagasikara satria araka ny fikarohana sasany dia tany amin ny 12e siècle dia efa hitan ny Explorateur Sinoa I Madagasikara. 

 

Nony taty afara anefa dia nisy ihany koa ny fahatongavan ireo : 

 

  • Arabo
  • Espagnol
  • Anglisy
  • Frantsay
  • Indiana

 

Ary nony tong any fanjanahan tany dia tonga tao Madagasikara ihany koa ny: 

 

  • Pakistanais
  • Indopakistanais (avy any Cachemire)
  • Indiana
  • Ary ny Sinoa 

 

Nitoetra niaraka tao Madagasikara ary nitombo tany amin ny faritra nisy azy tsirairay avy tany ireo olona rehetra ireo ary ireo no mi constituer ny “Vahoaka Malagasy” izay tombanana ho eo amin ny 20 000 000 eo ho eo ankehitriny

 

Rah any fitantanana ny nosy no atao jery todika dia nahitana izao dingana 4 lehibe izao ny Tantaran ny Fahefana tao Madagasikara: 

 

Faha Vazimba: izay tsy dia tena voazavan ny mpanoratra tantara loatra fa azo fintinina hoe vanimpotoana niavian ireo Malay sy ireo Bantou tao Madagasikara

 

Faha Mpanjaka: samy nisy Fanjakana kely daholo nanerana ny nosy, na teo amin ireo Malagasy manana fiaviana Bantou (toy ny Mpanjakavavy Binao tany Boina) na ireo Malagasy manana fiaviana Malay (toy I Andrianampoinimerina sy Radama 1 tao Antananarivo, toy I Rivoekembahoaka tao Fianarantsoa), na teo amin ireo Malagasy manana fiaviana Arabo (toy I Raminia tao Faradofay)

 

Nisy ny ady fahefana sy ady tany teo amin ireo Fanjakana ireo ary araka ny tantara dia ny Fanjakana tao Antananarivo no nihitatra be indrindra erak I Madagasikara. 

 

Faha Fanjanahan-tany: nony tonga I Gallieni hametraka ny Fanjanahan-tany, dia noravana ny Monarchie ary dia ny Administration Coloniale no nitantana an’I Madagasikara. Mifototra tao Antananarivo ny fanomezana ny baiko sy ny fitantanana ary Governora no napetraka tany amin ny Faritany. Nampiavaka io vanim-potoana io ny fametrahana an I Madagasikara ho toy ny Territoire Frantsay izany hoe eo ambanin ny Lalana Frantsay, ny fampiasana ireo Malagasy originel (Malay, Bantou) Indiana, Sinoa, eny fa na dia ireo Frantsay voanjo miaramila hoan ny tombotsoan I Frantsa, ny fanodinana ny harena rehetra sy ny fitrandrahana azy ho amin ny tombotsoan ny ekonomia Frantsay. 

 

Repoblika: hatramin ny fahaleovan-tena dia 3 no isan ny Repoblika tao Madagasikara. 

 

Ny Repoblika voalohany izay nentin’Andriamatoa Philibert Tsiranana dia niavaka tamin’ny fanohizana amin ny fomba an-kolaka ny Fanjanahan-tany, izany hoe, ny taktikam pitantanana sy ny fandaminana rehetra dia natao araka ny culture administrative frantsay ary natao hifandray tendro sy hi servir ny tombontsoan ny ekonomia Frantsay aloha. 

 

Ny Repoblika faharoa izay Andriamatoa Didier Ratsiraka no tena nitantana azy dia niavaka tamin ny fironana tany amin ny fotokevitra sosialista – communiste ary ny fandraisana ny politika “non alignement” mba hoentina miatrika ny ady mangatsiaka nisy teo amin ny Capitaliste sy ny Communiste aloha, ary koa mba hahafahana miala amin ny vahohon ny Frantsay. 

 

Ny Repoblika fahatelo izay nentin Andriamatoa isany Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary ankehitriny Andry Rajoelina dia miavaka amin ny famelana ireo foto-kevitra socialiste communiste ary ny fironana bebe kokoa any amin ny économie de marché. 

Ny fifandimbiasan’ireo rafi pitantanana ireo dia tsy nandeha ho azy fa nisy hatrany ny fifandrafiana sy ny fifandonana teo amin ireo acteurs. 

 

Amin’izao vanimpotoana iainantsika izao dia mifamahofaho ao an-tsain ny Malagasy ny foto pisainana napetraky ny fotoana faha-Mpanjaka, ny foto-pisainana sosialista izay mivoy ny resaka tombontsoa iombonana (tafiditra ao anatin izany ny solidarité, ny fihavanana), ary ny foto-pisainana libéral sy mercantile izay nentin ny fanalalahana. 

 

Misy araka izany ny contradictions eo amin’ireo generations “zokiny” izay mbola te hitana foto-kevitra “maha-Malagasy” sy ireo generations “zandriny” izay mitady fahafahana sy bien etre social amin ny alalan ny fananana na asa mitondra karama tsara na orinasa izay hitondra tombony hoan ny tena. 

 

Miaraka amin izay contradictions izay, noho ny fisian ny fanantotoloana, ny economie mondiale izay mifototra amin ny marché izay lasa modelim-pivoarana maneran-tany, ny fivezivezen ny olona sy ny hevitra ary ny vaovao malaky noho ny fahatongavan ny Internet sy ny telephone mobile, dia mihazakazaka izay mpanam-bola sy manana hevitra hampiasa vola amin ny toerana “interessant”. 

 

Misy amin ireo Malagasy, na inona na inona karazany, izay efa mahita an I Madagasikara ho toy ny capital azo ahodina hanaovana fivelomana, misy ireo Malagasy izay tsy te hiherika fifandraisana amin ny vahiny fa mbola te hijanona amin ny traditionalisme ka tsy manaiky ny hikitikitihina ny taniny (izay antsoiny faobe hoe Tanindrazana) ary misy ireo Malagasy izay efa manana ny fisainana capitaliste kanefa tsy tiany ho zaraina amin ny vahiny ny taniny sy ny harena ao aminy raha tsy izy mihitsy aloha no mahazo tombony voalohany aminy. 

 

Nandritra izay vanimpotoana rehetra izay anefa dia nisy ireo faritra (sy olona) izay nahazo tombony tamin ny modernization toy ny Capitale, ny Chef lieu de Province, ary misy ireo faritra izay mahatsiaro tena fa adino. 

 

Dia izay ady tombontsoa rehetra rehetra izay no mifamahofaho ka mahatonga antsika ho tonga eo amin ny kihon dalana ankehitriny. 

 

Tonga ity ny fotoana hanaovana ny fihaonambe isam-paritra hahafahan ny Malagasy tsirairay izay “teraky ny Faritra”, na “Lehibe tao amin ny Faritra”, na “mahatsiaro fa zanaky ny Faritra” ka te hanao soa azy mandinika ny ho avin ny Fariny amin izao fiandohan ny XXI e siècle izao. 

 

Koa ireto ary misy fanontaniana maromaro izay mitsinjara ho section maromaro mba hahafahantsika mandinika tsara ny Faritra niaviantsika tsirairay avy ary hahafahantsika mametraka teti pivoarana maharitra ho antsika sy ho an ny taranantsika. 

 

 

Fomba nandaminana ny fanontaniana

 

Toy izao ny filozofia mitondra ny fametrahana ny fanontaniana. Satria isika Malagasy dia mbola vahoaka izay manana attaché personnelle amin ny Faritra izay niaviantsika tsirairay avy, misy culture sy fahaiza-manao mampiavaka ny Faritra tsirairay avy. 

 

Ny série n na fanontaniana voalohany aloha dia ny resaka Fahafantarana ny tena manokana: Iza aho ary ho aiza. 

 

Ny série n na fanontaniana faharoa dia mikasika ny Fahafantarana ny faritra niaviana na nahalehibe na tiana onenana. 

 

Ny série n na fanontaniana fahatelo dia ny resaka fifanakalozana isam-paritra aloha ary avy eon y resaka fifanakalozan ny faritra amina faritra hafa any ivelany

 

Araka izany, dia tena zava dehibe mihitsy no tsy maintsy hanoritanao ao anatin ny valinteninao ny Faritra niavianao, na nahalehibe anao, n any Faritra tianao onenana ary ny Kaominina misy anao. 

 

Tsy voatery ianao hanome ny anaranao satria lasa personnel loatra ny fakana hevitra raha izay no hatao, kanefa raha tianao izany dia tsy maninona afaka omenao ihany koa. Porofon ny fangaraharahana daholo izany. 

 

Tsy parfait tanteraka ity enquete na sondage d’opinion ity , mety hisy zavatra izay heverinao fa miverimberina (redundant) fa tsy maninona fa valio ihany satria hiovaova na hivoatra arakaraky ny fandrosoanao amin ny famalianao ny fanontaniana ny perception nao sy ny valinteninao. 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :