Coopération décentralisée.

Publié le par mgslalom

1-Mba hazavao kely hoe ilay hoe: “fiaraha-miasa amina vondrom-paritra any ivelany”. Ivelan’ny Faritra samy eto Madagasikara ve sa ivelan’i Madagasikara tsotra izao? Omeo ohatra iray na roa raha azonao atao.

 

Fiaraha miasa amina vondrom-paritra ivelan'i Madagasikara no tiako tenenina amin'io. Ny tonga dia mby ao an-tsain'ny olona dia ny resaka jumelage na commune ohatra. 

 

1- Antananarivo renivohitra dia manana fiaraha-miasa amin'ny Région ile de France. 

 

2- Ny commune any Faratsiho, raha tsy diso ny fitadidiako dia miara-miasa amin'ny commune la Possession ao La Réunion. 

 

3- Ny commune Diego Suarez ville dia manana fiaraha-miasa amina commune iray any France any fa tsy tadidiko intsony ny anarany. 

 

Ny principe dia tsotra: 

 

Raha misy tany iray manana relation diplomatique amin'i Madagasikara, raha ohatra ka misy teratany malagasy monina ao amin'ny commune iray ao amin'io tany io, raha ohatra ka manana contact amin'ny ben'ny tanana ao amin'io tany io izy sy contact amin'ny ben'ny tanana iray ao Madagasikara : ohatra ny ben'ny tananan'ny tanindrazany, dia afaka mi-négoce izy mba hisian'ny jumelage eo amin'ireo tanana roa ireo: 

 

be dia be ny ho mety fifanakalozana azo atao amin'izany: fampitaovana bibliotheque communale amin'ny alalan'ny fandefasana boky, fandefasana ankizy hianatra any amin'ny sekoly any ivelany indraindray, fitondrana mpizaha tany, formation-na teknisiana, sns sns ... 

 

Tsy maintsy tany misy relation diplomatique amin'i Madagasikara aloha, izay vao afaka atao io. 

 

Dia eo ihany koa anefa no miditra ny Fanjakana foibe sy ny politika, satria matetika tadiavin'ny mpitondra ho alefa any amin'ny commune maha-diavolana ny sainy ireo fiaraha-miasa sy ireo fitaovana, afa tsy ny olana hafa eo anivon'ny douanes sns sns ... 

 

Izay no mahatonga ahy miteny hoe: FAHEFANA TENA IZY HOAN'NY FARITRA NA NY ETAT FÉDÉRÉ (arakaraka izay lalam-panorenana ho lany eo) tsy ITSABATSABAHAN'NY FANJAKANA FOIBE DISO TAFAHOATRA INTSONY.


Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article