Compétences - Ressources - Délimitations des Collectivités.

Publié le par mgslalom

2-“anay” hoy ianao (?)... Ny fanontaniana tsotra dia ny hoe: moa ve efa narosonareo io sosokevitra momban’ny Faritra io? Ianareo samirery ihany ve sa mba misy firifiry kosa ny fivondronana samihafa manan-kevitra manakaiky an’io hevitrareo io? Ahoana no fandraisan’ny mpivory isany an’izany hevitra vaovao (kanefa sady tsy tena vaovao raha ny tena marina) izany? Enga anie ka ho alalinina sy iadiana hevitra tokoa momban’io resaka Faritra io fa anisan’ny olana tsy maintsy vahana io ankehitriny mba hisian’ny rafitra vaovao sy tena mazava mikasika izany.

Misaotra anao ary mazotoa hatrany.

 

Izaho sy izahay aloha dia tsy antoko politika, tsy association, tsy ONG, fa olom-pirenena azo sokajiana ho ao anatin'ny société civile. Misy aminay ny mpanao gazety mitatitra ny vaovao, misy ny teknisiana eo anivon'ny Ministera isan-tokony, misy ny mpampianatra mpikaroka ary misy ihany koa leader politique izay tsy te ho voafatotry ny antoko eo amin'ny fanehoan-kevitra. 

 

Réseau n'ny olona ao amin'ny société civile no azo hamintinana ny groupe-nay.

 

Tsy mitaky fahefana izahay, mitaky kosa rafitra mazava hitantanana ny firenena ary manohana ireo olona izay mitondra projet matotra hanatsarana ny Faritra rehetra rehetra.

 

Ny ataonay dia ny mamaky bantsilana, tsy misy censure, tsy misy henamaso ny zavatra hitanay fa tokony hatsaraina ary manolotra soso-kevitra ihany koa.  

 

Tsy mety aminay ny mi s'affiche mivantana, amin'ny alalan'ny site toy itony sy ireo fandaharana vokarin'ny radio sy ny télé izahay no mi provoquer débat de société. Izay no fomba fiasanay. 

 

Ary mahafaly anay aloha dia toa tratra daholo ny fanamby rehetra napetraka hatramin'izao. 

 

Mikasika ny Faritra, ny fanazavana ny momba azy : 

 

Amin'ireo fanontaniana aman-jatony napetraky ny commission consultatif mikasika ny constitution io, maro ny fanontaniana avy aminay. 

 

Misy ireo mpanao politika toy ry Victor Sikonina sy Henri Lecacheur izay miandany amin'ny fédéralisme no mitovitovy fijery aminay mikasika ny resaka forme de l'Etat. 

 

Misy ireo mpanao politika toy ry Pierrot Rajaonarivelo sy ny tariny izay mitovitovy fijery aminay ihany koa mikasika ny promotion effective n'ny Faritra. 

 

Misy ireo olona ao amin'ny société civile, ao amin'ny fonction publique, ireo mpandraharaha, ireo ao amin'ny haino aman-jery no mi provoquer débat mikasika io lalam-panorenana sy io resaka Faritra io. 

 

Misy olona ao anatin'ny Commission Constitution izay mamoaka ny hevitray mikasika io. 

 

Ny anay dia tsotra. Misy ireo texte izay mametra ireo voalazako teo ambony ireo: Compétences - Ressources - Coopération décentralisée. (Loi 94-007 sns sns ...) FA MIJANONA HO SORATRA FOTSINY IREO FA TSY MIHATRA. RESABE SY FIALANA BALA NO ATAON'NY FANJAKANA FOIBE ISAKY NY MIHETSIKA IREO LEADER N NY FARITRA NA IREO BEN'NY TANANA, ARY ILANA VANONA IZY IREO RAHA VAO TSY MIFANANDRIFY AMIN'NY FIJERIN'NY MPITONDRA EO AMIN'NY FOIBE NY PROGRAMME ERITRERETINY SY NY PROJET ERITRERETINY. VAO MAIKA LOZA RAHA OHATRA KA TSY MITOVY ANTOKO AMIN'NY FILOHAM-PIRENENA NY BEN'NY TANANA. 

 

IZANY NO NAHATOFOKA AN-DRY ANDRY SY ROLAND RATSIRAKA ARY I HAJO TAMIN-DRAVALOMANANA TAMIN'IZANY FOTOANA. 

 

Ankoatra izay, tsy nitondra na inona na inona hoan'ny Faritra ambiny mihitsy ny Etat unitaire décentralisé, 

 

Ka dia izay no hiadianay mafy amin'ny hanaovana na RÉGIONALISATION (izay manome vahana be ny Faritra) na ny ETAT FÉDÉRÉ. 

 

Amin'ireo forme na Etat 2 ireo: afaka mivezivezy foana ny olom-pirenena fa ny HETRA TONGA DIA MIDITRA AMIN'NY FARITRA NA NY ETAT FEDERE FA TSY KEPOHIN'NY ETAT CENTRAL INTSONY. 

 

Eto ihany koa izahay dia manainga ireo Teknisiana eo anivon'ny FTM sy ny MINISTERE N NY INTÉRIEUR ARY NY MINISTERE N'NY AMÉNAGEMENT MBA HANISY SARIN-TANY NGEZABE AO AMIN'NY TOERAM-PIVORIANA  HAHAFAHAN'NY OLONA MAMINAVINA NY FAMARITANA IREO FARITRA 

 

Misaotra anao INFOKINTANA nametraka ireo FANONTANIANA TEKNIKA ROA GOAVANA IREO. 

 

 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article