Fahafantaranao ny Faritrao

Publié le par mgslalom

Fanontaniana ankapobeny

 

  • Amin ny ankapobeny, aminao inona no tena mampiavaka ny faritra misy anao (raha anontanian ny olona ianao hoe inona no mampiavaka ny Faritrao dia inona no zavatra teneninao ny olona voalohany)?

 

  • Aminao, ohatra ny ahoana izany Faritrao mandroso izany?

 

  • Aminao, inona no loharanon karena (resources naturelles) afaka trandrahina na ahodina ao amin ny Faritra misy anao)

 

  • Inona no tokony hataon ny Faritra ho anao

 

  • Inona no anjara birikinao hoan ny Faritrao

 

  • Inona no fahefana TOKONY ho eo ampelatanan’ny birao mpanatanteraka eo anivon ny Faritra

 

  • Inona no fahefana TOKONY ho eo ampelatanan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Faritra

 

  • Firy taona no TOKONY ho halavan’ny mandat n ny lehiben’ny Faritra

 

  • Firy taona no TOKONY ho halavan’ny mandat n ny mpanolo tsaina

 

  • Azo fidiana im-piry ny tompon-andraikitra voafidy eo amin ny faritra iray 
    • Indray mandeha ihany
    • Indroa farafahabehany

 

  • Inona no critere na DIPLOME tsy maintsy feno izay vao azo fidiana ny olona iray:
    • Manana Maitrise
    • Manana Baccalauréat
    • Manana BEPC
    • Manana CEPE

 

  • Inona no criteres hafa mifanampy amin io critere na diploma io: 
    • Ao anatina parti politique (ara-dalana, izany hoe misy statuts)
    • Olona atolotry ny parti politique
    • Olona manana casier judiciaire vierge
    • Olona manana fandaharan’asa atolotra amin ny propagandy

 

Fanontaniana teknika

 

Misy lafiny teknika maro izay tsy maintsy dinihina ary andraisana fanapahankevitra raha tianao marina ny hampandrosoana ny Faritrao. Ireto avy izany lafiny teknika izany: 

  • Fampianarana
  • Fahasalamana
  • Fananan-tany
  • Hetra
  • Fandriam-pahalemana
  • Fitrandrahana ny harenan ny faritra
  • Kolontsaina sy vakoky ny faritra
  • Finoana
  • Fetran ny faritra


Fampianarana

 

  • Inona no filana amin ny resaka fanatsarana ny fampianarana ao amin ny faritrao
    • Fananganana sekoly
    • Fampitaovana ny sekoly efa misy
    • Fametrahana mpampianatra permanent ao amin ny sekoly efa misy
    • Fanafarana mampianatra avy any ivelany hanampy tosika ny mampianatra efa eo an toerana
    • Aiza ny sekoly tena tokony hanaovana action prioritaire

 

Fahasalamana

 

  • Inona no filana amin ny resaka fanatsarana ny fahasalamana ao amin ny faritrao
    • Fananganana hopitaly
    • Fananganana dispensaire
    • Fampitaovana ireo hopitaly na dispensaire izay efa eo an toerana
    • Fametrahana dokotera sy mpitsabo mpanampy
    • Aiza no toerana prioritaire ao amin ny faritra


Fananan-tany

 

  • Fantatrao ve ny zonao amin ny resaka fananan-tany
  • Fantatrao ve hoe aiza ny tanim-panjakana (domaine public) sy ny domaine privé (tany an ny Fanjakana fa afaka alain ny olom-pirenena ho fanany manokana) ao anatin ny Faritrao
  • Manana titre foncier ara-dalana ve ianao
  • Misy guichet foncier ve ao amin ny Faritra misy anao
  • Ohatrinona en moyenne ny vidin ny m2 n ny tany ao amin ny Faritra misy anao
  • Takatry ny fahefa-mividinao ve izany m2 izany
  • Firy hectares araka ny hevitrao no tany tokony ho anjaran ny olom-pirenena iray
  • Inona no hevitrao mikasika ny fananan-tany amin ny ankapobeny
  • Amidy amin ny mpanambola vahiny ve ny tany sa ampanofaina fotsiny aminy
  • Raha ekena ny fivarotana tany amin ny vahiny, firy hectares ny velaran-tany azo amidy aminy?
  • Firy hectares ny tany azo ampanofaina amin ny “mpandraharaha vahiny”


Hetra

 

  • Inona avy no loharanom-bola tokony homena ny Faritra
    • TVA ve
    • Taxe sur les Sociétés
    • Hafa ?

 

  • Ohatrinona ny hetra alaina amin ny mpandraharaha teraky ny Faritra, na lehibe tao amin ny Faritra (valivotaka) na niova Faritra ka te ho lasa zanaky ny faritrao?

 

  • Inona avy ny hetra alaina amin ny mpandraharaha izay teraky ny na lehibe tao amin ny Faritra (valivotaka) na niova Faritra ka te ho lasa zanaky ny faritrao?

 

  • Isaky ny inona no aloa ny hetra?

 

  • Inona no sazy ampiharina raha tsy voaloa araka ny fotoana nifanarahana ny hetra?
    • Alain ny Faritra ho azy ve ny fanana?
    • Sa arodana ny fotodrafitr’asa eo ary averina domaine privé n ny Faritra ilay toerana
    • Sa amidin ny Faritra ny fotodrafitr’asa

 

  • Afaka hafiriana no mihatra io sazy io

 

  • Ahoana no hahafahan ny mponina ao amin ny Faritra manaraka ny nampiasan ireo tompon’andraikitra eo amin ny Faritra ny hetra izay naloany. 

 

  • Ohatrinona ny hetra alain ny Faritra amin’ireo mpandraharaha “vahiny”. Mihoatra firy isan jato fara fahabetsany amin ny hetra alaina amin ‘ireo mpandraharaha local?

 

  • Tafiditra ao anatin ny famaritana hoe “vahiny” ve ny mpandraharaha avy any amin ny Faritra hafa izay tsy nanova fonenana (mpila ravin’ahitra)
    • Eny
    • Tsia


Fandriam-pahalemana

 

  • Aiza ao amin ny Faritrao no toerana be olona sahirana eo amin ny lafiny rehetra (fivelomana, sns) 

 

  • Aiza no toerana be fanendahana indrindra

 

  • Aiza no teorana be ady indrindra

 

  • Aiza no toerana be vono olona indrindra

 

  • Aiza no toerana be vaky trano indrindra

 

  • Aminao, inona no fepetra tokony hapetraka amin ireny toerana ireny mba hanafoanana izay olana izay
    • Asiana tobin ny mpitandro filaminana
    • Asiana toeram-piasana mifanandrify amin ny filan ny olona ao
    • Hevitra hafa

 

  • Inona no karazan’asa irin’ny olona eny amin’ireny faritra sahirana ireny

 

  • Aminao, inona no anjara biriky tokony entin ny Faritra hanatsarana ny fari piainan’ireny olona ireny

 

  • Inona no antoka TOKONY omen’ny Faritra mba hiarovana ireo mpandraharaha local na vahiny na mpila ravin’ahitra izay mampiasa vola ka mampihodina ny economie n ny Faritra

 

  • Raha misy voina mihatra amin’ny mpandraharaha, inona no andraikitra TOKONY ho raisin ny Faritra

 

Fitrandrahana ny haren’ny Faritra

 

  • Inona no fandraharahana izay anomezana vahana ireo mpandraharaha zanaky ny Faritra (teraky ny faritra, valivotaka, olona niova faritra)

 

  • Inona no fandraharahana izay anomezana vahana ny mpandraharaha vahiny sy mpila ravin’ahitra

 

  • Inona daholo ny tambiny alohan’ny mpandraharaha “vahiny” sy “mpila ravin’ahitra” amin ny Faritra:
    • Resaka vola: inona avy ny hetra dia ohatrinona
    • Resaka karama: ohatrinona ny karama isaky ny adiny iray
    • Resaka fifampitondrana eo amin ny mpampiasa sy ny mpiasa: Inona no hampiavaka ny code du travail isaky ny faritra (ohatra: durée du travail, heures supplémentaires, majoration travail de nuit, sns sns…)
    • Resaka fiaraha-monina : inona no tabous ao amin ny Faritrao

 

Kolon-tsaina sy Vakoky ny Faritra

 

Hiavaka arakaraky ny karazan’olona, ny tantaran ny Faritra ary ny fombafomba andavan’andro ao aminy ny Faritra tsirairay avy.

 

  • Inona no tetik’ady hatao mba hampivoarana sy hanomezan danja ny kolon-tsain ny Faritrao.
    • Eo amin ny sehatra nasionaly
    • Eo amin ny sehatra iraisam-pirenena

 

  • Inona no hatao mba hampivoarana ny Faritrao eo amin ny lafiny:
    • Art culinaire
    • Hira
    • Tononkalo
    • Architecture
    • Fitafy 


Finoana

 

Ny finoana dia anisan’ny manamarika ny fiaraha-monina ao Madagasikara, ao ireo Kristianina, ao ny Silamo, ao ny Bouddhiste ary ao ihany koa ireo lazaina hoe Mpanompo Sampy ary ao ny Laic sy ny Athée.

 

  • Inona no fepetra raisina mba hisian’ny fiaraha monina mirindra eo amin’ny fampiharana ny finoan’ny tsirairay:
    • Atao mifanalavitra ve ny fiangonan’ireo izay manan finoana sarotra miaraka
    • Rarana ve ny fitabatabana fivavahana eny an-kalamanjana
    • Tsy avela maneno ny lakolosy raha tsy ny andro alahady
    • Tsy avela haneno ve ny anjomaran’ny Silamo raha tsy amin ny andro sy ora natokana amin’izany

 

  • Inona no fepetra raisina mikasika ireo ombiasy izay tsy manao afa tsy ny hamosavy ny hafa
    • Potehina ve ny tranony sy ny fanafodiny
    • Gadraina izay voaporofo fa milalao fanafody famosaviana

 

Fetran’ny Faritra

 

Ilaina ny fahafantarana ny fetran’ny Faritra mba hahafahana mandamina ny resaka fandaniam-bola sy ny politikam-pampivoarana.

 

Mba hahafahanao manao izany dia ataovy ireto asa ireto aloha:

 

Mangala saritanin’I Madagasikara dia farito hoe manomboka aiza ny faritra misy ahy ary mifarana aiza. Inona no slogan (teny faneva) tianao omena ny Faritrao. Inona no saina famantarana ny Faritrao, inona no hira fanevan ny Faritrao. 

 

  • Manomboka aiza ary mifarana aiza ny faritra misy anao
  • Inona no fifanarahana tokony hatao amin’ny Faritra hafa raha ohatra ka enclave ny Faritra misy anao.
  • Ahoana ny ifandraisana amin’ireo faritra mifanila (limitrophe) mikasika ireo resaka interets transversaux (asa tsy maintsy iaraha-manana amin ny faritra voisins)
    • Gestion des bassins versants
    • Gestion de l’eau
    • Gestion des Forets et des ressources fauniques et florales
    • Ady amin ny doro tanety
    • Gestion des déchets (ireo fako avy any amin’ny faritra iray mankany amin ny faritra iray)
    • Entretien des infrastructures de communication: 
      • Routes
      • Chemin de fer
      • Liaisons téléphoniques
      • Fibre optique

 

  • Ahoana ny cotisation amin’ny ireo asa tsy maintsy iaraha-manana ireo. 
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
M
<br /> Blogs are so informative where we get lots of information on any topic. Nice job keep it up!!<br /> <br /> <br />
Répondre
D
Blogs are so informative where we get lots of information on any topic. Nice job keep it up!!
Répondre