Fomba nandaminana ny fanontaniana

Publié le par mgslalom

Toy izao ny filozofia mitondra ny fametrahana ny fanontaniana. Satria isika Malagasy dia mbola vahoaka izay manana attache personnelle amin ny Faritra izay niaviantsika tsirairay avy, misy culture sy fahaiza-manao mampiavaka ny Faritra tsirairay avy. 

 

Ny série n na fanontaniana voalohany aloha dia ny resaka Fahafantarana ny tena manokana: Iza aho ary ho aiza. 

 

Ny série n na fanontaniana faharoa dia mikasika ny Fahafantarana ny faritra niaviana na nahalehibe na tiana onenana. 

 

Ny série n na fanontaniana fahatelo dia ny resaka fifanakalozana isam-paritra aloha ary avy eon y resaka fifanakalozan ny faritra amina faritra hafa any ivelany

 

Araka izany, dia tena zava dehibe mihitsy no tsy maintsy hanoritanao ao anatin ny valinteninao ny Faritra niavianao, na nahalehibe anao, n any Faritra tianao onenana ary ny Kaominina misy anao. 

 

Tsy voatery ianao hanome ny anaranao satria lasa personnel loatra ny fakana hevitra raha izay no hatao, kanefa raha tianao izany dia tsy maninona afaka omenao ihany koa. Porofon ny fangaraharahana daholo izany. 

 

Tsy parfait tanteraka ity enquete na sondage d’opinion ity , mety hisy zavatra izay heverinao fa miverimberina (redondant) fa tsy maninona fa valio ihany satria hiovaova na hivoatra arakaraky ny fandrosoanao amin ny famalianao ny fanontaniana ny perception nao sy ny valinteninao.


Hoan ireo haino aman-jery:


Tsy olana, ary tena amporisihiko mihitsy, ny hanaparitahana ity fanontaniana ity manerana ny Nosy, faran’izay haingana mba hahafahan ny Malagasy miisa 20 000 000 mandray azy sy hitondra ny valinteniny eny amin ny birao hisy ny Fihaonambem-paritra. Afaka avadika ho emission speciale radiodiffusée ihany koa izy ity, ary noezahiko natao style journalistique, izany hoe mora vakiana sy mora raisina ary tsy voadika vilana ny hevitra fonosin ny fanontaniana tsirairay avy. 

 

Alohan ny hamalianareo ny fanontaniana dia mirary anareo sahady aho mba handray anjara mavitrika amin ny fampivoarana ny Faritra misy anareo tsirairay avy ary hanaja ny Faritra hafa ihany koa. 

 

Ho ela velona anie ny Faritra 22 n I Madagasikara (raha io marina no ho tena isan ny Faritra ao amintsika). 

 

 
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article