Topimaso ara tsary ny zava-misy iainan'ny faritra amin'izao fotoana.

Publié le par mgslalom


Ireto sarin-tany telo manaraka ireto dia maneho amintsika fa hatramin'ny Fahaleovan-tena dia tsy nitsahatra nitombo ny mponina ary mitombo fatratra. Eo amin'ny faritra afovoan-tany sy atsimo atsinanana no tena itobian'ny vahoaka.

Araka ny sarin-tany faharoa dia eo Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa (pentina fotsy) no ahitana Jiro fa ny ambiny dia zara raha misy jiro mitsilopilopy. Hitantsika araka izany fa tsy mipariaka manerana ny Faritra rehetra ny "modernisation" na ny "Fandrosoana". 

Ny sarint-tany farany moa dia maneho fotsiny ihany fa eo Analamanga, Vakinakaratra ary Amoron'i Mania no tena ahitana ny "modernisation", eny amin'ny faritra ambiny kosa dia mbola mijanona ao anatin ny aloka ihany. 

Mety efa nisy fiovana ihany anefa satria ny sarin-tany roa voalohany dia tamin'ny taona 2000 no nahavitan ny USGS azy.  
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article